Wikipedia:Fandraisana
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
|
Lahatsoratra 96 337 amin’ny teny malagasy |
![]() I Malỳ na ny Repoblikan' i Malỳ dia firenena ao Afrika Andrefana, tsy manana morontsiraka, izay manana velarana mirefy 1 241 238 km² sy mponina miisa 21 473 764 tamin' ny taona 2022. Atao hoe Maliana ny vahoakan' io firenena io. Ny ampahany be amin’ ny tanin’ i Malỳ dia ao amin’ ny lohasahan’ ny ony Niger. I Bamako no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra-andrefana i Maoritania, ao andrefana i Senegaly, ao atsimo andrefana i Ginea, ao atsimo i Kôtidivoara, ao avaratra-atsinanana i Aljeria, ary ao atsimo-atsinanana i Borkina Fasô. Mizara telo ny vohon’ ny tany ao Malỳ: ny faritra sahariana karankaina izay tsy dia ahitana zavamaniry firy; ny faritra saheliana somary maina izay ahitana hivoka anirian-kazo madinika; ary faritra anjakan’ ny hivoka anirian-kazo lehibe. Firenena manana toetany mafana sy maina i Malỳ ka matetika ianjadian’ ny haintany. ![]() Foko maro no mandrafitra ny vahoaka maliana, ka ny Mandinga no maro anisa indrindra (40 %). Ny finoana silamo no be mpanaraka indrindra (90 %n’ ny mponina). Ny tapany atsimon’ i Malỳ no onenan’ ny ankamaroan’ ny mponina. Ny ankamaroan’ ny mponina dia mpamboly, nefa ny habetsahan’ ny vokatra (katsaka, vary, ampembambazaha, voanjo, fary, landihazo, sns) dia miankina amin’ ny fitarihan-drano sy ny fiakaran’ ny ony Niger sy ny renirano misakelika aminy. Ny landihazo no iankinan’ ny taozava-baventy izay manondrana ny vokatra avy amin’ izany. Manana harena an-kibon’ ny tany i Malỳ, ka anisan’ ireo firenena voalohany mpitrandraka volamena aty Afrika. Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialin’ i Malỳ. Tamin' ny taona 1960 no nahazoany ny fahaleovan-tenany ary mankalaza izany isaky ny 22 Septambra ny vahoaka ao aminy. (tohiny...)
![]() Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
|
![]()
Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]
![]() ![]() Mbola tsy misy ankehitriny ny pejy mikasika ny Talata 5 Desambra ao amin'ny efemerida. Ka raha tianao dia azonao ampiana na foronina ity pejy ity. Raha te-hamorona pejy mikasika ny efemerida eto ianao, dia jereo any amin'ny wikipedia hafa (frantsay na anglisy ohatra) any raha efa misy ny pejy momban'ny efemerida, jereo ary dikao amin'ny teny malagasy raha afaka, ny votoatiny. Aloha ny mamorona pejy efemerida ianao, vakio ny toromarika (tsindrio eto raha te-hijery azy amin'ny teny anglisy) |
Manana ny tohan'ny Wikimedia Foundation ireo volavola :
![]() |
Meta-Wiki Toerana iraisan'ny fikambanan'ny tetikasa rehetra |
![]() |
Wikibolana Raki-bolana malalaka |
![]() |
Wikigazety Gazety malalaka (incubator) | ||
![]() |
Wikiboky Lahatsoratra sy boky malalaka |
![]() |
Wikitanisa raki-pitanisana |
![]() |
Wikifamakiam-boky famakiam-boky | ||
![]() |
Wikiversite Komonitia Pedagôjika |
![]() |
Wikispecies Tetikasa iraisana |
![]() |
Wikimedia Commons Toerana ametrahana ny rakitra Multimedia |