Agao (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 1 Jiona 2023 à 00:00 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Vahoaka aty Afrika)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Ankizy agao ao amin' ny zana-paritra Wag Hemra ao amin' ny faritra Amhara, ao Etiôpia.

Ny Agao na Ageo dia vahoaka miteny amin' ny iray amin' ny fiteny agao (na ageo), izay ao amin' ny sampam-piteny kositika ao amin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika, ary noho izany dia mifandray akaiky amin' ny vahoaka hafa miteny kositika. Taloha izy ireo dia hita maro tany amin' ny faritra avo ao amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia ankehitriny, indrindra tany amin' ny faritra Amhara sy manodidina ny farihy Tana.

Vondrona kely vitsivitsy ihany no miteny ny fiteny agao ankehitriny. Mpiteny maro no nandray ny fiteny amharika ary nisy vitsy no miteny amin' ny fiteny tigrinia, ka nanome azy ireo toetra kositika. Ireo fiteny ireo dia ao amin' ny vondrom-piteny kositika, samy ao amin' ny vondrom-piteny afrô-aziatika.

Sambany no voatonona tamin' ny fomba azo antoka ny vahoaka agea tao amin' ny sora-tsokitra tamin' ny taonjato faha-4 an' i Ezana mpanjaka aksomita. Nanjakazaka tamin' ireo fari-panapahan' andriana (prinsipaotea) na fanjakà-mpanaka kely tany ivelan' ny Empiran' i Etiôpia izy ireo hatramin' ny taonjato faha-17 no mankary. Tsy niray fivavahana na nisy firaisana ara-pôlitika mihitsy anefa ireo vahoaka miteny ny fiteny agao ireo.

Fivavahana

Amin' ny ankapobeny, ny Agao dia manaraka mônôteisma miavaka ("fivavahana hebreo") mifototra amin' ny Testamenta Taloha, izay niteraka ny Beta Israely na Falasa ankehitriny. Nitsahatra tsy niteny ageo intsony izy ireo teo anelanelan' ny taonjato faha-19 sy faha-20 arakaraka ny faritra. Na izany aza, misy fiteny agao iray, ny fiteny koarenia izay mbola nitenenan' ny Beta Israely miisa 2000 tena mitoka-monina ao amin' ny faritra Qwara, izay itenenan' ny mpifanolo-bodirindrina aminy izay manam-piaviana agao nandritra ny fifindra-monina tany Israely tamin' ny taoa 1992. Solonan' ny fiteny hebreo tsikelikely io fiteny io ankehitriny.

Maro ny Kristiana amin' izy ireo, izay ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana. Ny sasay kosa manaraka fivavahana hafa na manafangaro fivavahana sady mampiasa ny Testamenta Taloha, toy ny Kamanta. Vitsivitsy kely no nandray ny finoana silamo tato anatin' ny taonjato vitsivitsy. Agao Beta Israely an' arivony no niova ho kristiana tamin' ny taonjato faha-19 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-20 (na an-tsitrapo na an-tery), ka lasa Falash Mura (Beta Israely kristiana), na dia maro aza no miverina amin' ny jodaisma ankehitriny.

Ireo zana-bondrona

Mizara ho zana-bondrona maromaro ny vondrom-poko agao. Ny mpiteny agao avaratra dia fantatra amin' ny anarana hoe Bilena, izay monina manodidina an' i Keren, ao Eritrea. Ny mpiteny agao andrefana dia fantatra amin' ny anarana hoe Kimanta (koa Kemanta) izay monina manodidina an' i Gondar, ao Etiôpia. Ny mpiteny agao atsinanana dia fantatra amin' ny anarana hoe Kamira, izay monina manodidina an' i Sokota, ao Etiôpia. Ny mpiteny agao atsimo, izay monina manodidina an' i Dangila, ao Etiôpia ihany, dia fantatra amin' ny anarana hoe Aongy (Awngi).

Jereo koa