Batistan' ny Andro Fahafito

Avy amin'i Wikipedia
Sary sy soratra famantarana ny Federasiônan' ny Batistan' ny Andro Fahafito maneran-Tany

Ny Batistan' ny Andro Fahafito dia hetsika batista, izay miavaka noho ny fitandremana ny endrika iray amin' ny Sabata kristiana, izay manomboka Zoma hariva sy miafara amin' ny Asabotsy hariva.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ity hetsika ity dia niandoha tamin' ny batisma naorin' ny Anglisy roa lahy atao hoe John Smyth sy Thomas Helwys tany Amsterdam tamin' ny taona 1609. I Thomas Helwys no nanorina ny Fiangonana Batista Jeneraly voalohany tany Angletera tao Spitalfields, ao atsinanan' i Lôndra, tamin' ny taona 1612. Tamin' ny taona 1651, rehefa avy namolavola ny hevitry ny Sabata kristiana i Peter Chamberlen (mpahay fizikan' i Charles I sy an' i Charles II) no nanorina ny Fiangonana Batistan' ny Andro Fahafito voalohany tany Lôndra, fantatra amin' ny anarana hoe Mill Yard Church. Mbola misy ity fiangonana ity, ka izany no mahatonga azy ho fiangonana batista tranainy indrindra eran-tany. Ireo Fiangonana Batistan' ny Andro Fahafito dia nandroso tany Angletera nandritra ny taonjato telo, saingy tsy nahatohitra ny tafika masina adventista izay nokarakarain' i John Norton Loughborough, pastora adventista amerikana, izy ireo nanomboka tamin' ny taona 1887. Ny Mill Yard Church ankehitriny dia fiangonana afrô-jamaikana, ary ny tempoliny dia miorina metatra vitsivitsy miala ny kianjan' i Tottenham (41 Vicarage Road).

Ireo mpanorina ny Mill Yard Church dia nandray fampianarana izay efa zato taona mahery, dia ny fampianaran' ny mpitory teny anabatista alemàna Andreas Fischer sy Oswald Glaidt, izay nanangana fikambana-mpino anabatista sabatista tany Liegnitz, tany Silesia (Legnica ao Pôlônina ankehitriny) tamin’ ny 1528.

Tamin' ny taona 1671 dia tonga tany Etazonia ny Batistan' ny Andro Fahafito: mpikambana fito tao amin' ny Fiangonana Batista tany Newport (Rhode Island) no nanangana paroasy sabatista. Ity hetsika ity dia nandroso indrindra teo ambany fitarihan' ny Anabatista sabatista alemàna izay nanangana vondro-mpino mônastika batista sabatista tao Ephrata, any Pennsylvania, tamin' ny taona 1732.

Tamin' ny taona 1844 dia nisy Batistan' ny Andro Fahafito amerikana atao hoe Rachel Oakes (1809-1868), izay nandresy lahatra mpitory teny roa lahy mpampiely ny fampianaran' i Miller (milerisma), dia i Frederick Weeler (1811-1910) sy i Thomas Preble (1810-1907) mba hitandrina ny Sabata. Nandresy lahatra azy hitandrina ny Sabata koa i Preble tamin' ny alalan' ny lahatsoratra momba ny Sabata ary i Wheeler tamin' ny alalan' ny fandalinana niaraka amin' i Joseph Bates (1792-1872), izay mpiara-manorina ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito, mba hitandrina ny Sabata. Ny Fiombonamben' ny Fiangonana Advantista (frantsay: Conférence générale adventiste) dia niforona tamin' ny taona 1863 ary ny Fiangonan' Andriamanitra (Andro Fahafito), izay mpandova ny hetsika milerita sabatista dia natsangana ho fikambanana nekena ho ara-dalàna tamin' ny taona 1884.

Tamin' ny taona 1885, i Perie Burdick no pastora batistan' ny Andro Fahafito vehivavy voalohany.

Finoana[hanova | hanova ny fango]

Ny Batistan' ny Andro Fahafito dia maniry ny hanatona akaiky ny loharanon' ny kristianisma, dia ny finoana sy ny fahaiza-miaina nampianarin' i Jesoa Kristy sy nampitain' ny Apôstôly tamin' ny vanim-potoana voalohan' ny kristianisma.

Ohatra, ny Batistan' ny Andro Fahafito sasany, izay maka tahaka an' i Jesoa (araka ny voalaza ao amin' ny Matio 26 sy Marka 14 ary Lioka 22) dia mankalaza ny Paska amin' ny harivan' ny faha 13 hatramin' ny 14 amin' ny volana hebreo Nisan, araka ny tetiandro hebreo miorina amin' ny toko faha-23 ao amin' ny Bokin' ny Levitikôsy, ho fahatsiarovana ny sakafo faran' i Kristy sy ny Apôstôly sy ho fahatsiarovana ny Fanomboana an' i Kristy, fa tsy ny amin' ny Alahady mifanitsy amin' ny fanisan-taiona rômana, izay fahatsiarovana ny Fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty. Noho izany dia ankalazaina telo andro feno aorian' ny Paska ny fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty, indray hariva (araka ny Matio 12:40 sy ny fandraisana ara-bakiteny ny Matio 28:1).

Ny Batistan' ny Andro Fahafito koa dia manambara fa nandova amin' ny firehana prôtestanta izay tsy manaraka ny ataon' ny maro sady mahery vaika, toy ny Anabatista mpandala fandriam-pahalemana (izay niavian' ny Menônita) sy ny Sabatista. Ny Batistan' ny Andro Fahafito frantsay koa dia naka tahaka ny Batista tranainy (ny fifohazam-panahin' i Nomain tamin' ny taona 1820) sy ny Librista voalohany, nokarakaraina tamin' ny taona 1820 nanodidina ny trano fiangonana Taitbout tao Paris ary ireo mpialoha lalana ny fampianarana ny tokony haha laîka ny fanjakana. Heverin' izy ireo ho foto-pitsipika kristiana tsy azo lavina ny fanajana ny Famoronana sy ny tsy fanaovana herisetra.

Ny Batistan' ny Andro Fahafito dia mandà ny liberalisma teôlôjika sady mifikitra mafy amin' ny fitsipi-pitondran-tena kristiana nentim-paharazana. Tsy anisan' ny hetsika karismatika izy ireo.

Ny Fiombonambe Nasiônalin' ny Batistan' ny Andro Fahafito sasany dia manendry vehivavy ho pastora. Ny voalohany, i Perie Burdick, dia natokana tamin' ny taona 1885 tany Etazonia.

Ny batisa sy ny Sabata[hanova | hanova ny fango]

Ny Batistan' ny Andro Fahafito dia manaja fombafomba sy foto-pampianarana mampiavaka azy ao amin' ny antokom-pivavahany, dia ny batisa sy ny Sabata.

Ny Kristiana sabatista dia mino fa ny mpanara-dia an' i Jesoa Kristy amin' izao andro izao dia tokony mbola hanamasina ny Sabata amin' ny fanokanana izany ho an' Andriamanitra amin' ny alalan' ny fanaovana fanompoam-pivavahana iombonana, sy ny fitiavam-bavaky ny isam-batanolona sy ny fanampiana ny sahirana, ary ny fifadiana ny asa rehetra sy ny varotra manomboka amin' ny Zoma hariva hatramin' ny Asabotsy hariva, afa-tsy amin' ny tranga sasany tsy azo anoarana (toy izay mifandraika amin' ny fiarovana). Eny tokoa, ny mpianatra voalohany, taorian' ny nahafatesan' i Jesoa, dia mbola nitandrina izany (Lioka 23:53), ary ny Sabatista dia tsy mitazona ny hevitra maro manohana ny Alahady, izay heveriny ho fanao nolovaina tamin' ny fanompoan-tsampy sy ny antisemitisma tao Rôma tamin' ny Andro Taloha.

Mifanohitra amin' izany kosa ny Batistan' ny Andro Fahafito izay tsy mitandrina izay fanao avy amin' ny fomban-drazana jiosy tsy manana fototra ao amin' ny Baiboly. Ohatra, afaka mitondra ny fiarany izy ireo (indrindra raha mankany amin' ny tempoly), mandrehitra fitaovana mandeha amin' ny herin' aratra ary mihinana sakafo mafana mandritra ny Sabata.

Ao amin' ny Batistan' ny Andro Fahafito dia mifamatotra ny batisa sy ny Sabata. Ara-teôlôjia aloha, satria ny batisa dia anehoana fa ny mpino dia nahazo ny fahasoavan' Andriamanitra amin' ny alalan' ny finoana, ary ny Sabata no manamarika ny fanirian’ ny mpino hankatò an' Andriamanitra. Tsy afa-misaraka anefa ny finoana sy ny fankatoavana, araka ny ampahatsiahivin' ny andininy ao amin' ny Baiboly izay nofidin' ny Batistan' ny Andro Fahafito tamin' ny taonjato faha-18 manao hoe: "Indro ny faharetan' ny olona masina, izay mitandrina ny didin' Andriamanitra sy ny finoana an' i Jesoa" (Apôkalipsy 14:12). Ny batisa sy ny Sabata dia mifamatotra ihany koa raha amin' ny lafiny ara-pombafomba, satria rehefa nandray ny batisa ny Batistan' ny Andro Fahafito mbola zazavao dia nanamafy ny faniriany hankatò an' Andriamanitra, indrindra amin' ny fanokanana ny Sabata ho an' Andriamanitra

Fielezany[hanova | hanova ny fango]

Any India no betsaka indrindra ny Batistan' ny Andro Fahafito (paroasy enimpolo sy roanjato, ahitana fito amby dimampolo sy roanjato ao amin' ny Fanjakan' i Andhra Pradesh ary telo any Kerala). Avy eo dia ao Malaoy (paroasy roanjato misy mpino iray alina), any Brezila (paroasy sivy amby sivifolo), any Etazonia (paroasy enina amby enimpolo), ao Roanda (paroasy roa amby roapolo), any Filipina (paroasy roapolo), any Pôlôna (paroasy sivy ambin' ny folo), ao Nizeria (paroasy enina ambin' ny folo), ary paroasy sy vondrona mpisava lalana sasany any Jamaika, any Mianmara, any Aostralia, any Arzantina sns. Any Eorôpa, misy paroasy telo any Angletera, izay ahitana ny Jamaikana indrindra (anisan' izany ny Fiangonan' i Lôndra ara-tantara; tamin' ny taonjato faha-19 dia nisy fiangonana batista mitandrina ny Andro Fahafito dimy ambin' ny folo teo ho eo ny tany amin' ny Fanjakana Mitambatra), ary telo tany Nederlandy. Paroasy maro no niforona tato anatin' ny taona vitsivitsy tao amin' ny vahoaka pôlôney any Alemaina. Misy vondrona kely koa any Espaina, any Serbia, any Okraina, any Môldavia, any Estônia ary tetikasam-panirenenana any Frantsa.

I Malaoy no hany firenena misy ny Batistan' ny Andro Fahafito manana seloly ambony fampianarana teôlôjia sy hôpitaly ary sekoly tsy miankina. Ny filohan' ny Fiangonana Batistan' ny Andro Fahafito ao Malaoy koa no filohan' ny Fiombonana Malaoitan' ny Fiangonana sy ny Kômity ara-Pilazantsara momba ny ady amin' ny aretina sida.

Niorina tamin' ny taona 1965 ny Federasiôna Maneran-Tanin' ny Batistan' ny Andro Fahafito. Araka ny tombantomban' ny Seventh Day Baptist Historical Library & Archives nivoaka tamin' ny taona 2017 dia manana antokom-pinoana 20 sy mpikambana vita batisa 50 000 io federasiôna io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]