Hoterisma

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy hiterita amperin' asa

Ny hoterisma dia hetsika kristiana anabatista tao amin' ny faritra Tyrol (eny amin' ny tendrombohitra Alpes, Eorôpa Afovoany) tamin' ny taonjato faha-16, naorin' i Jacob Hutter tao Austerlitz (Moravia, mifanandrify amin' i Tsekia ankehitriny) tamin' ny taona 1528. Io antoko ara-pivavahana avy amin' ny Anabatista io dia nipoitra tao amin' ny Fanavaozana mahery vaika tamin' ny taonjato faha-16, toy ny Menônita sy ny Amisy. Iray amin' ireo foibe anabatista lehibe indrindra tamin' ny taonjato faha-6 tao Moravia, izay toerana nahitana ny sasany amin' ny andriana nandefitra tamin' ny mpino, raha ny hafa nanenjika azy ireo. Ankehitriny ity hetsika ity dia mbola hita indrindra any Kanada (ny telo ampahefany) sy any Etazonia (ny ampahefany) izay misy mpino eo amin' ny 50 000 eo ho eo mipetraka anaty faritra mihidy ao amin' ny fiarahamonin' ny mpamboly. Miteny tenim-paritra alemàna, atao hoe fiteny hoteriana, izy ireo. Nizara roa izy ireo ka ao ny Hoterita Tranainy sy ny Hoterita Vaovao, ireto farany ireto dia noroahin' ny voalohany.

Miezaka miaina mifanaraka amin' ny kristianisman' ny Testamenta Vaovao ny Hoterita, izay tanterahiny amin' ny fandavana ny karazana herisetra rehetra, anisan' izany ny herisetra ho fiarovan-tena. Mampihatra ny voalaza a amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 2: 42-47) izy ireo ka nanapa-kevitra ny hanambatra ny fananany mba hahafahany mivelona: fifanampiana izany fa tsy fiaraha-miombon' antoka ho amin' ny famokarana.

Tamin' ny taona 1535 dia nihatra tamin' izy ireo ny famoretana. Ny arkidioka Ferdinand I any Aotrisy dia nanery ny andriana môraviana handroaka azy ireo. Niery any anaty ala sy lava-bato izy ireo nandritra ny volana maromaro.