Repoblika Demôkratika Alemàna

Avy amin'i Wikipedia
Sainam-pirenen' ny RDA
Ny RDA (miloko maitso)

Ny Repoblika Demôkratika Alemàna (RDA) na Alemaina Atsinanana, izay atao hoe Deutsche Demokratische Republik amin' ny teny alemàna, dia firenena tany Eorôpa Atsinanana, niforona tamin' ny 7 Oktobra 1949 taorian' ny Ady Lehibe Faharoa. I Berlin-Atsinana (alemàna: Ost-Berlin) no renivohiny. Ny Rindrin' i Berlin (alemàna: Berliner Mauer) no nanasaraka an' i Alemaina Atsinanana tamin' i tamin' ny Repoblika Federalin' i Alemaina (RFA) na Alemaina Andrefana. Rava izany firenena izany taorian' ny fampitambarana azy indray tamin' ny Repoblika Federalin' i Alemaina (RFA) tamin' ny 3 Oktobra 1990 ka namorona an' i Alemaina ankehitriny.

Rindrin' i Berlin

Tamin' ny fotoana nampitambarana ny Alemaina roa ronta dia nisy mponina 16 tapitrisa ny tao amin' ny RDA izay nanana velaran-tany mirefy 108 178 km2.