Aller au contenu

Sarety

Avy amin'i Wikipedia
Sarety misy kodiarana vy ao amin' ny tanànan' i Chinawal any India.

Ny sarety dia fitaovam-pitaterana vita amin' ny hazo na amin' ny metaly (indrindra ny vy), misy kodiarana roa na kodiarana efatra, tarihin' olona na tarihim-biby miditra anaty jioga(omby, soavaly, boriky, sns).Any amin'ny tontolo ambanivohitra, ny sarety dia anisan'ny fitaovana iray ampiasain'ny olona ho fitateram-bokatra eny an-tsaha(vary, mangahazo, voanjobory,...)

.

FAMARITANA HAFA

[hanova | hanova ny fango]

Ny sarety gasy na sarety nentin-drazana eto Madagasikara, dia fitaovam-pitaterana manamarika manokana ny fiainana any ambanivohitra. Vita amin'ny hazo ary manana kodiarana roa lehibe, ampiasaina indrindra amin'ny fitaterana entana , vokatra eny an-tsaha, ary indraindray olona. Sintonin'ny Omby na olona mihitsy aza, mampiseho ny fahaiza-mamorona sy fahaizana manitsy tena amin'ny tontolo iainana eo anivon'ny Malagasy izy io. Na dia eo aza ny fivoaran'ny fitaovam-pitaterana maoderina, dia mbola tsy azo soloana any amin'ireo faritra tsy dia misy fotodrafitrasa tsara ny sarety gasy, ka mitana anjara toerana lehibe amin'ny toekarena ara-pambolena eo an-toerana.[1]

#Kolontsaina#sarety# nentin-drazana Malagasy# Madagasikara#

  1. Kolontsaina# sarety nentin-drazana malagasy