Aller au contenu

Ala

Avy amin'i Wikipedia
Ala anaty valam-pirenena any Soisa
Ny ala amazônianina any Brezily : ala mikitroka

Ny ala dia toerana be hazo maniry. Ny ala dia mandrakotra ny 9,4 isanjaton'ny tany na 30 isanjaton'ny hatramin' ny 50 isanjaton'ny velarantany manontolo eto an-tany.

Ny ala koa dia toerana iainana sy miteraka fidiram-bola ho an' ny olombelona: tamin' ny fafaha-n' ny taonjato faha-roapolo dia maherin' ny dimanjato tapitrisa ny isan' ny olona miaina akaiky ala na ao anaty ala; dimampolo ambin'ny zato tapitrisa amin' ireo no teratany ao. Maromaro ny karazan' ala misy; ny ala mbola tsy voakitika na mbola tsy voaovan' ny olombelona toetra dia lazaina hoe ala fototra na alananahary, ary ny ala efa nokasihan' ny olona dia lazaina hoe ala segondera. Ankoatr' ireo karazana voalaza etsy aloha ireo dia misy koa ny ala an-tanàna sy ny fambolena ala.

Karazan' ala

[hanova | hanova ny fango]

Any Eorôpa

[hanova | hanova ny fango]
Ny ala Biogradska any Bolgaria

Ny ala eorôpeanina dia alan' ny toetany antonony tsy tahaka ny any amin' ny taniefitra na any amin' ny Fehibe amin' ny andro fahavaratra ary mangatsiaka nefa tsy tahaky ny any amin' ny tendron-tany. Betsaka sy tonga ara-potoana ny rotsakorana. Ny hazokesika sy ny Quercus ary ny Castanea no karazana sy vondron-karazan-kazon' ny ala antonon-kafanana.

Aty Afrika

[hanova | hanova ny fango]
Alan-tsilon' Ifaty any Madagasikara

Aty Afrika misy ala mando any amin' ny farany avaratr' i Afrika ary any amin' ny farany atsimo. Alam-pehibe ny ala eo amin' ny faritry ny Fehibe: mikitroka, mando (ilatsahan' ny orana mandavan-taona). Ny zaha sy ny akasia, ary ny hazokesika no karazan-kazo hita matetika ao amin' ny ala mafana.

Ny ala any Azia dia ala mivelatra. Ohatra iray ny alan' i Komi, any Rosia. Betsaka ny karazan-kazo misy ao.

Any Amerika

[hanova | hanova ny fango]
Alan' Amazônia

Any Amerika Avaratra, ny ala dia alan' ny tany mangatsiaka ny any avaratra, ala mando mangatsiaka ny any avaratra-andrefana ary tahaka ny alan' ny tany eo amorontsiraky ny Mediteranea ny any atsimo-andrefana. Ny ala any atsimo-atsinanana dia ala mando (any Florida). Ny karazan-kazo misy betsaka anatin' ny alan' i Amerika Avaratra dia ny hazokesika.

Any Amerika Atsimo, ny ala amazônianina dia ala mando.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.