Amphibia

Ny Amphibia dia kilasin' ny biby tsy mamoaka hafanana firy (mangatsia-dra) sy manana hazondamosina (Vertebrata), manatody amin' ny tontolo misy rano, efa-tongotra (Tetrapoda), afaka miaina anaty rano sy amin' ny rivotra an-tanety. Izy ireo dia miavaka amin' ny Amniota (biby mandady na mikisaka sy vorona ary biby mampinono), izay afaka miteraka amin' ny tany maina na amin' ny alalan' ny famoahany atody misy akorany na amin' ny alalan' ny fitondrana atody lonaka ao anatin' ny vatan' ny vavy. Anisan' ny Reptilia ny Amphibia.
Ny teny hoe Amphibia dia midika hoe "manao fianana roa" na "miaina amin' ny tontolo roa", avy amin' ny teny grika taloha hoe ἀμφίβιος / amphibiôs[1].
Ao amin' ny zana-kilasy mônôfiletika Lissamphibia, izay misy filaharana telo velona, ny Amphibia rehetra mbola misy velona: ny Anura (sahona sy saobakaka) sy ny Urodela (salamandra), ary ny Gymnophiona (vondron-karazana Caecilia). Anisany ny sahona, ny saobakaka, ny salamandra, sy ny Apoda.
Tsy maintsy mijanona akaiky rano ny ankamaroan' ny Amphibia. Mihetsika bebe kokoa amin' ny alamorana izy ireo. Karazana amfibiana vitsy no monina amin' ny tany karakaina (ohatra: ny Breviceps macrops).
Satria nivoatra hiaina an-drano sy an-tanety ny ankamaroany, dia zatra miaina amina toeram-ponenana isan-karazany ny Amphibia. Miaina amin' ny ranomamy, amin' ny faritra mando na ekôsistema an-tanety (toy ny ala amoron-drenirano, ny toeram-ponenana anaty lavaka na fotaka) ary ambony hazo koa aza ny ankamaroan' ny karazana.
Matetika ny tsingerim-piainan' izy ireo dia manomboka amin' ny olitra an-drano, manana sagoaga, fantatra amin' ny anarana hoe tsiboboka. Namolavola toetra mba hialana amin' izany anefa ny karazana sasany. Tsy mandalo io fiofaka io ny karazana sasany, fa mitoetra ho tsiboboka mandritra ny androm-piainany nefa afaka miteraka ihany, na koa maka endriky ny efa lehibe nefa kely vatana alohan' ny ho foy.
Manana fomba fiaina anaty rano tanteraka ny olitra ary miaina amin' ny alalan' ny sagoaga, fa manana havokavoka ny lehibe kosa ary miaina an-drivotra. Mampiasa ny hodiny ho taovam-pisehoana faharoa ny amfibiana, ary misy karazana salamandra kely sy sahona an-tanety miaina amin' ny hodiny fotsiny, sady tsy manana havokavoka. Ny Amphibia dia misy fitoviana maromaro amin' ny biby mandady sy mikisaka (Reptilia), Amniota, izany hoe tsy mila rano hiterahana, toy ny vorona sy ny biby mampinono, anefa ireto farany ireto.
Mila rano tsy misy loto simika ny Amphibia, ho an' ny fananahany sy ny fahasalaman' ny hodiny izay tantera-drano, izany no mahatonga azy ireo ho tondrom-pahadiovan' ny tontolo iainana. Tao anatin' ny folo taona faramparany dia nihena be ny isan' izy ireo maneran-tany, noho ny fandotoana sy ny fihanaky ny aretina vokatry ny holatra bitika katsentsitra.
Ny filaharana môderna telo ao amin' ny Amphibia dia ny Anura (sahona sy saobakaka) sy ny Urodela (tritôna sy salamandra) ary ny Gymnophionae (ny vondron-karazana Caecilia). Ny fitambaran' ny karazana amfibiana fantatra dia 7 000 eo ho eo, izay sahona ny 90 % any ho any (ny biby mampinono dia misy karazany 5 000 eo ho eo).
Ny sahona any Ginea Vaovao, atao hoe Paedophryne amauensis, izay mirefy 7,7 mm monja, no amfibiana kely indrindra (sady biby manana hazondamosina kely indrindra eto an-tany). Ny amfibiana velona lehibe indrindra dia ny Andrias davidianus izay mirefy 1,8 m ny halavany, saingy fohy lavitra noho ny Mastodonsaurus, (halavana 6 m) izay karazana efa lany tamingana niaina tamin' ny vanim-potoana Permiana, na noho ny Brachyopoidea hita tany Alweynskop tany Lesôtô, izay niaina tamin' ny vanim-potoana Triasika farany sy ny fiandohan' ny Jorasika.
Araka ny lisitra menan' ny IUCN navoaka tamin' ny taona 2019 dia 40 % amin' ny karazana amfibiana 8 100 voatanisa dia atahorana ho lany tamingana.