Angivy
Fiseho

Ny angivy dia zavamaniry isan-karazany ao amin' ny fianakaviana Solanaceae, samy ao amin' ny vondron-karazana Solanum, manana voa somary mafaipaitra izay tian' ny Malagasy andrahoina miaraka amin' ny laoka matavy. Tsy ny zavamaniry ao amin' ity vondrona ity no antsoina amin' io teny malagasy io fa ny sasantsasany ihany, ka nisan' izany:
- ny Solanum anguivi Lam. (angivy)
- ny Solanum erythracanthum Bojer ex Dunal (roingivy, voampoa, voangivy);
- ny Solanum heteracanthum Merr. & L.M. Perry (angivy, voangivy);
- ny Solanum indicum L. na Solanum lasiocarpum Dunal (angivibe, angivy, ankivy, toreraka, voampabe, voampo, voampoa, voampoana, voangily, voangivibe, voapo);
- ny Solanum macrocarpon L. (angivibe, angivy)