Aratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny aratra dia vokatry ny fisiana sy fihetsehan'ny elekitrôna amin'ny toerana na zavatra iray. Ny aratra no mahatonga ny varatra, kianjanaratra, sy ny herinaratra fampiasa andavan'andro amin'ny fitaovana toy ny jiro, radiô, milina fikajiana, sy sisa tsy voatanisa.

Ny tondron'ny aratra dia nanomboka fantatra tamin'ny taonjato faha 17, ny fifehezana ny aratra dia nafahana nanombohana ny revôlisiôna ara-taozava-baventy faharoa tamin'ny taonjato faha 19. Ankehitriny, hita na aiza na aiza ny aratra eny amin'ny firenena mandroso : avy amin'ny loharanon-angôvo (rano, hafanana, sy ny vaonin'atôma), ny aratra amin'izao tontolo izao dia angôvo ampiasaina amin'ny raharaha ao an-trano sy ny asa eny amin'ny taozava-baventy.

Ny tondron'ny aratra[hanova | hanova ny fango]

Ny aratra dia avy amin'ny fihetsehan'ny voanaratra ny raha iavian'ny aratra.

Tahaka ny lanja, ny voanaratra dia toetran-draha, afahana manazava ny fiavian'ny zava-miseho sasantsasany. Dikan'izany tsy ary nahita voanaratra izany mihitsy ny olona, fa ny siantifika dia nahita fitovizana tamin'ny fihetsiky ny poti-javatra. Nilaza izareo fa manan-tondro iraisana ny poti-javatra.

Misy karazana voanaratra roa ; izy ireo dia voanaratra miabo, si miibo. Araka ny anarany, ireo voanaratra roa ireo dia mifanohitra.

Mifanintona ny voanaratra roa samihafa Mifanosika ny voanaratra mitovy karazana

Ny voanaratra roa smaihafa dia mifanafoana. Izany midika fa mitovy isa ny voanaratra miabo sy miibo, ary ny fihetsika rehefa izany dia ohatra ny hoe tsy misy voanaratra. Lazaina fa tsy mirona izy.

Ny aratra[hanova | hanova ny fango]

Ny varatra[hanova | hanova ny fango]

Ny varatra dia ny feo vokatry ny fipoakan'ny rivotra mifandona amin'ny tselatra ka mahatonga ny rivotra hitondra elektrona (plasma no iantsoina ilay rivotra na etona misy elektrona). Mitovy ny fotoana hipoahan'ny varatra sy ny fisehoan'ny tselatra saingy noho ny tsy fitovian'ny hafainganam-pandehan'ny feo sy ny hazavana dia ny tselatra aloha no hita voalohany avy eo ny varatra no heno. Raha tena akaikin'ny tselatra no misy olona mijery dia miara-mipoitra ny tselatra sy ny varatra.

Tselatra sy Varatra vokatry ny herinaratra amin'ny rivotra ka mipoaka