Aller au contenu

Biby

Avy amin'i Wikipedia
Ny karazam-biby

Ny biby, araka ny biôlôjia, araka ny fanasokajiana klasika, dia zavamananaina mihinana akora ôrganika (afa-tsy ny maningana vitsivitsy), miaina amin' ny ôksizenina, manana sela izay mitambatra ho nofo, ary afaka mihetsika, afaka miteraka amin' ny alalan' ny fitaovam-pananahana, ary mitombo avy amin' ny sela vitsivitsy mandritra ny fivoaran' ny tsimoka. Ny fitambaran' izy ireo dia atao amin' ny teny ara-tsiansa hoe Animalia (manampy ny Plantae, ny Fungi, ny Protozoa, ny Bacteria, ny Chromista ary ny Archaea ao amin' ny zavamananaina).

Mitambatra anaty klady (clade) iray ny biby, izany dia midika fa avy amin' ny razambe tokana izy ireo. Amin' izao fotoana izao, ny teny hoe "biby" dia atokana ho an' ny zavamananaina saro-drafitra sy maro sela, na dia efa ela aza ny prôtôzôera (no Protozoa) no noheverina ho biby tokan-tsela. Sahala amin' ny zavamananaina hafa, ny biby tsirairay dia manana ny namany izay mahaforona vondrona ranoray aminy, antsoina hoe karazana.

Falco peregrinus - Bilateria

Maherin' ny 1,5 tapitrisa ny karazana biby velona voafariparitra, ka manodidina ny 1,05 tapitrisa ny bibikely (Insecta), ny 85 000 mahery dia karazan' ny sifotra (Mollusca), ary manodidina ny 65 000 ny biby manana hazondamosina (Vertebrata). Tombanana ho 7,77 tapitrisa ny karazana biby eto an-tany. Manomboka amin' ny 8,5 μm ka hatramin' ny 33,6 m ny halavan' ny vatan' ny biby. Manana ekôlôjia saro-drafitra izy ireo ary misy mifandraisany amin' ny tsirairay sy ny tontolo iainany, ka mamorona "tambajotran-tsakafo" be pitsiny. Ny fandalinana siantifika momba ny biby dia fantatra amin' ny anarana hoe zôôlôjia, ary ny fandalinana ny fitondran-tenan' ny biby dia atao hoe etôlôjia.

Amin' ny fiteny andavanandro, ny teny hoe "biby" dia matetika ampiasaina mba hanavahana ny sisa amin' ny tontolon' ny zavamananaina anesorana ny olombelona sy ny zavamaniry (anisan' izany ny ahidrano sy ny holatra).

Aplysina archeri - Porifera

Ny fanjakana Animalia dia mizara ho klady dimy lehibe, dia ny Porifera, ny Ctenophora, ny Placozoa, ny Cnidaria ary ny Bilateria. Ny ankamaroan' ny karazam-biby velona dia ao amin' ny klady Bilateria, ny mpikambana ao aminy dia manana rafi-batana mifanandrify ankavia sy ankavanana sady manana loha, ary ny ankamaroan' ny bilateriana dia ao amin' ny klady roa lehibe: ny Protostomia, izay ahitana zavamananaina toy ny Arthropoda, ny Mollusca, ny Platyhelminthes (kankana fisaka), Annelida ary ny Nematoda; ary ny Deuterostomia, izay ahitana ny Echinodermata sy ny Hemichordata ary ny Chordata izay misy ny Vertebrata. Ny Xenacoelomorpha, izay klady aikaiky fototra sady kely kokoa dia manana toerana tsy azo antoka ao anatin' ny Bilateria.

Ctenophora

Nipoitra voalohany tao amin' ny firaketana fôsily ny biby tamin' ny fiafaran' ny vanim-potoana Kriôzeniana ary nihasamihafa tamin' ny vanim-potoana Ediakariana manaraka tamin' ny fipoahan' i Avalon. Mbola mampiady hevitra ny porofo talohan' io momba ny fisian' ny biby; ny zavamananaina spaonjy Otavia dia efa tamin' ny vanim-potoana Tôniana tamin' ny fiandohan' ny Neôprôterôzôika, saingy iadian-kevitra mafy ny maha biby izany. Saika ny karazana biby môderina rehetra dia niseho voalohany tao amin' ny firaketana fôsily ho karazana an-dranomasina nandritra ny fipoahana Kambriana, izay nanomboka tamin' ny 539 tapitrisa taona lasa izay, ary ny ankamaroan' ny kilasy nandritra ny fihasamihafana Ôrdôvisiana dia 485,4 tapitrisa taona lasa. Iraisan' ny biby velona rehetra ny fananana vondrona fototarazo 6 331 no fantatra fa mety ho avy amin' ny razambe tokana izay niaina tany amin' ny 650 tapitrisa taona lasa nandritra ny vanim-potoana Kriôzeniana.

Placozoa

Araka ny tantara dia nozarain’ i Aristôty ho biby misy ra sy ny biby tsy misy ra ny biby. I Carl von Linné dia namorona ny fanasokajiana biôlôjika voalohany ho an' ny biby tamin' ny taona 1758 tao amin' ny Systema Naturae, izay nampitomboin' i Jean-Baptiste Lamarck ho fisampanana (phylum) 14 tamin' ny taona 1809. Tamin' ny 1874, i Ernst Haeckel dia nizara ny fanjakan' ny biby ho Metazoa izay maro sela (mitovitovy amin' ny Animalia ankehitriny) sy Protozoa, zavamananaina misy sela tokana tsy heverina ho biby intsony. Amin' izao andro môderina izao, ny fanasokajiana biôlôjika ny biby dia miankina amin' ny teknika mandroso, toy ny filôjenetika môlekiolary, izay mahomby amin' ny fanehoana ny fifandraisana araka ny evôlisiôna misy eo amin' ny taksôna.

Dendronephthya klunzingeri - Cnidaria

Ny olombelona dia mampiasa karazana biby maro hohanina (anisan' izany ny hena, atody, ary vokatra vita amin' ny ronono), ​​mba hanaovana fitaovana (toy ny hoditra, volo, volonondry), ho biby fiompy sy biby miasa ho an' ny fitaterana, ary asa fanompoana. Ny alika, biby fiompy voalohany, dia nampiasaina amin' ny fihazana sy ny fiarovana ary ny ady, toy ny soavaly sy voromailala ary vorona mpihaza; fa ny biby an-tanety sy an-drano hafa kosa dia hazaina mba hahazoana fanatanjahantena, amboara na tombony. Ny biby tsy olombelona koa dia singa ara-kolontsaina manan-danja amin' ny fivoaran' ny olombelona miandalana, ​​izay niseho teo amin' ny zavakanto an-davabato sy ny tôtema hatramin' ny andro voalohany, ary matetika no aseho amin' ny fedrà, ny fivavahana, ny zavakanto, ny literatiora, ny heraldika, ny pôlitika, ary ny fanatanjahantena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]