Homarus

Ny Homarus dia vondron-karazana na sokajy ao amin' ny fianakaviana Nephropidae, amin' ny Crustacea, miana an-dranomasina. Ity sokajy ity dia misy karazany roa:
- ny Homarus gammarus (Linnaeus, 1758) ;
- ny Homarus americanus (H. Milne Edwards, 1837).
Ny Homarus dia miavaka amin' ny langosta noho fananany fiketohana ngeza sy ny hodiny tsy dia imisy tsilo loatra. Ny orana dia manana endrika mitovy amin' ny Homarus, saingy kely kokoa sady miaina anaty ranomamy. Mety hahatratra 50 taona ny Hommarus gammarus.
Toetrany
[hanova | hanova ny fango]
Ny Homarus dia iray amin' ny vondron-karazana lobstera telo misy tanana fiketokana mbola misy izay mampiseho tsy fitoviana eo amin' ny tanany fiketohana: ny iray natao hanapotsitra fa ny faharoa hanapaka. Ny vondron-karazana hafa mitovitovy aminy dia ny Nephrops (izay manify kokoa, ary misy toa lavaka lava manaraka ny andavan' ny fiketohany sy eo amin' ny kibony) sy ny Homarinus (izay mbola kely kokoa, sady volovoloina ny fiketohany).

Ny fanadihadiana momba ny môrfôlôjika dia manolotra fifandraisana akaiky eo amin' ny Homarinus sy ny Homarus, ny famakafakana môlekiola amin' ny fampiasana ADN mitôkôndrialy dia manambara fa tsy taksa mirahavavy izy ireo. Samy tsy manana haingo toy ny tsilo sy ny tampon-damosina ireo vondrona roa ireo, saingy heverina fa tonga tamin' io endrika io tamin' ny fomba tsy mifampiankina. Ny havana akaiky indrindra ny Homarus dia dia ny Nephrops norvegicus, fa ny havana akaiky indrindra ny Homarinus dia ny Thymops sy ny Thymopides.
Faritra misy azy
[hanova | hanova ny fango]Aleon' ny Homarus ny ranomasina mangatsiaka, fa tsy toy ny langosta, izay any atsimo kokoa ny faritra misy azy. Malalaka be ny faritra ahitana ny Homarus, saika manerana ny morontsirak' i Atlantika Avaratra, eo amin' ny lafiny eorôpeana sy amerikana. Ny Homarus dia miaina eo amin' ny fetran' ny faritra mipoitra amin' ny fiakaran' ny ranomasina, any ambanin' ny vatolampy izay ahafahany mihady lavaka, ka hatrany amin' ny halalina 50 na 60 metatra.