Aller au contenu

Kabary

Avy amin'i Wikipedia

FAMARITANA

[hanova | hanova ny fango]

Ny kabary dia lahateny atao amin' ny feo avo ka entina hampitana hafatra ary matetika ravahina amin' ny hainteny sy ohabolana sady atrehin' olona maro. Samy nanana ny fomba nitrandrahany ny kabary ny rehetra ka izay no mahatonga ny famaritana somary maro amin' izao fotoana izao ny atao hoe kabary, fa saingy io no fototra ka miainga avy amin' io avokoa ny famaritana rehetra misy ankehitriny.[1]


Ny ilàna ny kabary

[hanova | hanova ny fango]

•Entina hanamarinana na hanazavana zavatra iray manan-danja,

•Entin'ny mpiteny maneho ny fahaizany miteny sy mitana ny sain'ny mpihaino, amin'ny alalan'ny teny tsara rindra sy ohabolana voafantina,

Nentin'ny mpanjaka nampita hafatra tamin'ny vahoaka.


Ny toetra tokony hananan'ny mpikabary

[hanova | hanova ny fango]

•Mila fahasahiana,

•Mila fahaizana mandaha-teny,

•Mila avo feo,

•Mahafantatra ny fahendrena malagasy,

•Mahafehy ny ohabolana sy ny hainteny.

Ny karazana kabary

[hanova | hanova ny fango]

Maro karazana ny kabary satria maro tokoa ny hafatra hampitaina. Anisan' ireny ny fampitana arahaba ambara amin' ny teny tsotra hoe kabary fiarahabana, ny firarian-tsoa isan-tsokajiny, ny kabary am-panambadiana izay ahafahana mahafehy ny kabary rehetra ny fahaizana azy, ny kabary an-karatsiana: famangiana, fisaorana am-pandevenana (am-bohitra, am-piangonana, ambony fasana), ny kabary am-pamadihana.

Ohabolana momba ny kabary

[hanova | hanova ny fango]
  • "Teny diso tsy mba kabary, mihinam-bary aza misy latsaka"
  • "Teny zato, kabary arivo, fa ny marina tokana ihany"


1.https://fr.scribd.com/document/528893667/Programme-2nde

2. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://www.studocu.com/row/document/universite-dantananarivo/cours-physiologie/ny-literatiora-malagasy/108946291