Ketora

I Ketora, ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, dia vadin' i Abrahama taorian' ny nahafatesan' i Saraha. Misy lovantsofin' ny raby izay manao an' i Ketora ho i Hagara ihany. Voalaza fa "vadin-tsindranon' i Abrahama" izy (1Tan 1:32). Atao hoe קְטוּרָה / Ktura, izay midika hoe "emboka", "manitra", "fahazavana", i Ketora, amin' ny teny hebreo.
I Ketora sy i Saraha ary i Hagara
[hanova | hanova ny fango]I Ketora dia vadin' i Abrahama taorian' ny nahafatesan' i Saraha[1]. Milaza ny lovantsofin' ny Raby fa olona iray ihany i Ketora sy i Hagara. Nanorina trano lay nanoloana ny rahalahiny rehetra izay zanak' i Ketora - izay tsy iza fa i Hagara ihany - Ismaela. Voalaza ao amin' ny Baiboly anefa fa vaditsindranon' i Abrahama i Ketora (1Tant. 1:32).
Ny zanak' i Ketora sy i Abrahama
[hanova | hanova ny fango]Nananan' i Abrahama zanaka enina izy, dia i Zimrana (Tsimrana), i Ioksana (Joksana), i Medana, i Isbaka, ary i Soa. Nalefan' i Abrahama honina any atsinanana hanalavitra an' i Isaaka ireo zanany ireo. Miovaova ny anarana sy ny isan' ny zanak' i Ketora[2], araka ny hita ao amin' ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 1:32). I Isba (na Jisba) sy i Soa no mpanorina ny fanjakan' i Iasbogy sy ny Soko ao avaratr' i Siria.
I Ketora sy ny bahaisma
[hanova | hanova ny fango]Razamben' i Baha'u'llah i Ketora, ao amin' ny finoana bahay, izay mampifandray azy amin' i Abrahama sady ilazan' ny mpino bahay fa mpaminany i Baha'u'llah.