Lisea

Ny lisea dia karazana sekoly voafaritra ao anatin' ny rafi-panabeazana any amin' ny firenena maro, indrindra any Eorôpa. Miovaova arakaraka ny firenena ny famaritana; matetika dia karazana sekoly ambaratonga faharoa ny lisea. Ny siansa fototra sy ny fampidirana amin' ny asa sasany dia ampianarina ao amin' ny ankapobeny.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]
Ny teny hoe lisea dia fanagasiana ny teny frantsay hoe lycée, izay avy amin' ny teny latina hoe lyceum, izay avy amin' ny teny grika fahiny hoe Λύκειον / lykeion, izay anaran' ny zimnazy iray tany Atena, tamin' ny vanim-potoana klasika izay natokana ho an' i Apôlôna Likeiôsy (grika: Ἀπόλλων Λύκειος / Apollōn Lukeios, izay midika hoe "Apôlôna lopa"). Ity lisea tany am-boalohany ity dia toerana nisy ny sekoly peripatetikan' i Aristôty.
Ny anaran' ny sekoly môderina any amin' ny firenena sasany dia avy amin' ny anarana latina fa ny anarana grika kosa dia omena ho an' ny sekoly tranainy: ohatra, ny fiteny neerlandey dia manana ny teny hoe lykeion (tranainy) sy lyceum (môderina), izay samy nadika hoe lyceum amin' ny teny anglisy (marihina fa amin' ny teny latina klasika ny C ao amin' ny teny hoe lyceum dia tononina foana hoe K).
Ny teny hoe lycée dia nampiasain' i Napoléon tamin' ny taona 1802 mba hiantsoana ny sekoly ambaratonga faharoa. Avy any Frantsa ilay anarana dia niely tany amin' ny firenena maro niharan' ny kolontsaina frantsay.