Mucuna

Ny Mucuna dia vondron-karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, misy voniny, roa ravin-tsimoka (dikôtiledôna). Izy ireo dia vahy na zavamaniry mianika, na hazobotry na ahitra, misy ravina misampana telo sy vony miendrika lolo (Papilionaceae).
Ahitana karazana 110 eo ho eo ekena ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, foko Phaseoleae, zana-pianakaviana Faboideae, ka ny karazana filaatra dia ny Mucuna urens (na Dolichos urens L.).
Misampana telo, na mifandimby, na mitangolika ny raviny, ary ny voniny dia mitovy amin' ny tsaramaso saingy lehibe kokoa, misy felana miolana izay mampiavaka azy, ary miseho amin' ny endrika sampaho. Tahaka ny voamaina (Fabaceae) hafa dia misy pepany ny Mucuna. Amin' ny ankapobeny dia ampifandraisin' ny ramanavy ny lahimbony sy ny vavimbonin' izy ireo ary mamokatra voa sahala amin' ny an' ny tsaramaso. Miseho amin' ny endrika telo sosona izay mampiavaka azy izy ireo, toy ny mason' ny biby mampinono lehibe amin' ny karazana sasany ary toy ny hamburger amin' ny hafa (indrindra indrindra ny Mucuna sloanei).
Manana tsinjara toerana manerana ny faritra trôpikaly rehetra, matetika hita any amin' ny ala trôpikaly sy sobtrôpikaly any Amerika, aty Afrika atsimon' i Saharà, any Azia Atsimo, any Azia Atsimo Atsinanana, ary any Azia Atsinanana, any Ginea Vaovao, any Aostralia ary any amin' ny nosy maro any amin' ny Ranomasimbe Pasifika.
Avy amin' ny hoe mucunã, teny topy-goarany aninadriana ny ireo karazana ireo, ny anaran' ity vondron-karazana ity.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Karazana fantatra eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]- Mucuna pruriens -- taingilotra, tainkiloka, takilodambo, takiloka, takilotra
- Mucuna paniculata Baker. (na Mucuna horrida teo aloha[3]) -- agivavy, agy, hagy, takilotra, tangilotra, tankiloka, tsingonihoniagy
Karazana voafariparitra
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Febroary 2025, ny Plants of the World Online dia manaiky ireto karazana 112 manaraka ireto:
- Mucuna acuminata Graham ex Baker
- Mucuna aimun Wiriad.
- Mucuna analuciana T.M.Moura, Mansano & A.M.G.Azevedo
- Mucuna angustifolia Adema
- Mucuna argentea T.M.Moura, G.P.Lewis & A.M.G.Azevedo
- Mucuna argyrophylla Standl.
- Mucuna atropurpurea (Roxb.) DC. ex Wight
- Mucuna aurea C.B.Rob.
- Mucuna bennettii F.Muell.
- Mucuna biplicata Teijsm. & Binn. ex Kurz
- Mucuna birdwoodiana Tutcher
- Mucuna bodinieri H.Lév.
- Mucuna brachycarpa Rech.
- Mucuna bracteata DC. ex Kurz
- Mucuna cajamarca T.M.Moura, G.P.Lewis & A.M.G.Azevedo
- Mucuna calophylla W.W.Sm.
- Mucuna canaliculata Verdc.
- Mucuna championii Benth.
- Mucuna chiapaneca M.Sousa & T.M.Moura
- Mucuna coriacea Baker
- Mucuna cuatrecasasii Hern.Cam. & C.Barbosa ex L.K.Ruíz
- Mucuna curranii Elmer
- Mucuna cyclocarpa F.P.Metcalf
- Mucuna diabolica Backer
- Mucuna diplax Wilmot-Dear
- Mucuna discolor Merr. & L.M.Perry
- Mucuna ecuatoriana T.M.Moura, G.P.Lewis, Mansano & A.M.G.Azevedo
- Mucuna elliptica DC.
- Mucuna elmeri Merr.
- Mucuna eurylamellata Adema
- Mucuna flagellipes Vogel ex Hook.f.
- Mucuna gigantea (Willd.) DC.
- Mucuna glabra (Reinecke) Wilmot-Dear
- Mucuna glabrialata (Hauman) Verdc.
- Mucuna globulifera T.M.Moura, N.Zamora & A.M.G.Azevedo
- Mucuna gracilipes Craib
- Mucuna guangxiensis K.W.Jiang & Y.Feng Huang
- Mucuna hainanensis Hayata
- Mucuna havilandii Wiriad.
- Mucuna hirtipetala Wilmot-Dear & R.Sha
- Mucuna holtonii (Kuntze) Moldenke
- Mucuna hooglandii Verdc.
- Mucuna humblotii Drake
- Mucuna imbricata (Roxb. ex Lindl.) DC. ex Loudon
- Mucuna incurvata Wilmot-Dear & R.Sha
- Mucuna interrupta Gagnep.
- Mucuna jarocha T.M.Moura, Mansano, Gereau & A.M.G.Azevedo
- Mucuna kabaenensis Adema
- Mucuna kawakabuti Wiriad.
- Mucuna keyensis Burck
- Mucuna killipiana Hern.Cam. & C.Barbosa
- Mucuna klitgaardiae T.M.Moura, G.P.Lewis & A.M.G.Azevedo
- Mucuna kostermansii Wiriad.
- Mucuna lamellata Wilmot-Dear
- Mucuna lamii Verdc.
- Mucuna laticifera Ingalh., N.V.Page & S.S.Gaikwad
- Mucuna longipedunculata Merr.
- Mucuna macrobotrys Hance
- Mucuna macrocarpa Wall.
- Mucuna macrophylla Miq.
- Mucuna macropoda Baker f.
- Mucuna manongarivensis Du Puy & Labat
- Mucuna melanocarpa Hochst. ex A.Rich.
- Mucuna membranacea Hayata
- Mucuna mindorensis Merr.
- Mucuna mitis (Ruiz & Pav.) DC.
- Mucuna mollis (Kunth) DC.
- Mucuna mollissima Teijsm. & Binn. ex Kurz
- Mucuna monosperma DC. ex Wight
- Mucuna monticola N.Zamora, T.M.Moura & A.M.G.Azevedo
- Mucuna mooneyi T.M.Moura, Gereau & G.P.Lewis
- Mucuna mutisiana (Kunth) DC.
- Mucuna neocaledonica Baker f.
- Mucuna novoguineensis Scheff.
- Mucuna occidentalis (Hepper) T.M.Moura & G.P.Lewis
- Mucuna oligoplax Niyomdham & Wilmot-Dear
- Mucuna pachycarpa Parreno ex Wilmot-Dear
- Mucuna pacifica Hosok.
- Mucuna pallida Cordem.
- Mucuna paniculata Baker
- Mucuna papuana Adema
- Mucuna persericea (Wilmot-Dear) T.M.Moura & A.M.G.Azevedo
- Mucuna pesa De Wild.
- Mucuna platyphylla A.Gray
- Mucuna platyplekta Quisumb. & Merr.
- Mucuna poggei Taub.
- Mucuna pruriens (L.) DC.
- Mucuna pseudoelliptica T.M.Moura, G.P.Lewis & A.M.G.Azevedo
- Mucuna pungens (Vell.) H.F.Menezes & J.F.B.Pastore
- Mucuna reptans Verdc.
- Mucuna reticulata Burck
- Mucuna revoluta Wilmot-Dear
- Mucuna rostrata Benth.
- Mucuna sakapipei Wiriad.
- Mucuna samarensis Merr.
- Mucuna sanjappae Aitawade & S.R.Yadav
- Mucuna schlechteri Harms
- Mucuna sempervirens Hemsl.
- Mucuna sericophylla Perkins
- Mucuna sloanei Fawc. & Rendle
- Mucuna stanleyi C.T.White
- Mucuna stans Welw. ex Baker
- Mucuna stenoplax Wilmot-Dear
- Mucuna subumbellata Wilmot-Dear
- Mucuna sumbawaensis Wiriad.
- Mucuna tapantiana N.Zamora & T.M.Moura
- Mucuna thailandica Niyomdham & Wilmot-Dear
- Mucuna tomentosa K.Schum.
- Mucuna toppingii Merr.
- Mucuna urens (L.) Medik.
- Mucuna verdcourtii Wiriad.
- Mucuna warburgii K.Schum. & Lauterb.
Tany aloha dia natao tao ain' ity vondron-karazana ity ireto karazana ireto:
- Canavalia mattogrossensis (Barb. Rodr.) Malme (izay natao hoe M. mattegrossensis Barb. Rodr.)
- Psophocarpus scandens (Endl.) Verdc. (izay natao hoe M. comorensis Vatke)
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Mucuna axillaris Baker", Plants of the World Online
- ↑ "Mucuna pruriens var. utilis", Plant of the World Online
- ↑ "Mucuna paniculata Baker", Plant of the Word Online