Aller au contenu

Papa

Avy amin'i Wikipedia
Ny Papa Fransoa

Papa no anaram-boninahitra iantsoana ny evekan' i Rôma sady izy koa no lohan' ny Eglizy katôlika rômanina maneran-tany. Araka ny fampianarana katôlika dia mifindra amin' ny alalan' ny fifandimbiasana hatramin' i Masindahy Piera (na Petera) izay nahazo izany tamin' i Jesoa Kristy ny fahefan' ny papa. Izany no atao hoe fifandimbiasana apôstôlika. Ny anaram-boninahitra hoe papa dia hita ao amin' ny tahirin-kevitra maro nanomboka tamin' ny Kônsily voalohany tao Nisea (na Nikea) tamin' ny taona 325. Ny papa koa dia filohan' ny Fanjakan'i Vatikàna.

Ny papa farany indrindra dia i Jorge Mario Bergoglio no papa izay nitondra ny anarana hoe Fransoà (na Fransesko), nandimby an' i Benoa XVI (na Benedikto XVI) sady izy no papa faha-266. Tamin' izay maty tamin'ny 21 aprily 2025.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Andraikitra hafa

[hanova | hanova ny fango]