Raokandro

Ny raokandro dia fampiasana zavamaniry ho an' ny fitsaboana. Sehatra nentim-paharazana amin' ny fitsaboana malagasy izy io, izay ampiasaina amin' ny fitsaboana aretina isan-karazany. Izy dia nipoitra tamin' ny fomban-drazana malagasy fahiny izay ampiasan' ny mpitsabo nentim-paharazana ny zavamaniry amin' ny endriny tsy asiam-panovana[1][2].
Fampiasana taovan-javamaniry (faka, ravina, hoditra, vony, sns) hanamboarana fanafody ny ny raokandro. Matetika mifandray amin' ny fombafomba sy fanao ara-panahy ny raokandro. Manana anjara toerana lehibe eo amin' ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fanafody ny mpitsabo nentim-paharazana (ny mpanandro, ny mpitsabo gasy, ny ombiasa, sns).
Anisan' ny kolontsaina malagasy ny raokandro. Matetika izy io no ampiasaina ho famenon' ny fitsaboana môderina. Miha-mitombo hatrany ny fampiasana ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy, na eto Madagasikara na eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena. Misy ny ezaka fampiroboroboana sy fitandroana ity vakoka ara-kolontsaina ity.
Endriky ny raokandro
[hanova | hanova ny fango]Ny raokandro dia manana endrika maromaro arakaraka ny aretina na ny toe-pahasalamana tiana hotsaboina:
- Tambavy azo avy amin' ny fitanehana ny taovan-javamaniry (ravina, taho, faka, hoditra) na fandrarahana rano mafana amin' izany.
- Tambavy azo avy amin' ny fandomana amin' ny rano mangatsiaka ny taovan-javamaniry.
- Fanaovana fesana (na petakilasy) ny ranoka nokarakaraina avy amin' ny taovan-javamaniry, izay apetaka mivantana amin' ny hoditry ny olona mila fitsaboana.
- Fievohana amin' ny etona avy amin' ny ranoka mafana avy amin' ny fitanehana ny taovan-javamaniry.
- Firavahana ody fiaro ampiasana ny zavamaniry sasany mba handroahana ny fanahy manimba na hisarihana vintana.
Zavamaniry fampiasa matetika
[hanova | hanova ny fango]
Noho ny fananan' i Madagasikara karazan-javamananaina maro dia dia misy ny zavamaniry tsy fahita firy ampiasaina amin' ny raokandro, ka anisan' izany ireto manaraka ireto:
- ny Cinnamomum camphora (ravintsara) izay mamono na manakana ny fitomboan' ny zavamananaina bitika (bakteria, viriosy, holatra bitika) eo amin' ny hoditra sy amin' ny hodimando, mba hisorohana ny aretina, indrindra ny ratra, ny may na alohan' ny fitsaboana.
- ny Euphorbia hirta (ahidronono, kironono, zaraobera) izay ampiasaina amin' ny olana ara-pisefoana.
- ny Erythrina fusca izay mampitony fanaintainana.
- ny Cedrelopsis grevei (katrafay) izay manala havizanana sy fanaintainana.
- ny Ritchiea reflexa izay ampiasaina ampin' ny fitsaboana ny aretin-koditra sy ny fofon-dratsy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Malala Nirina Mahandry Randevoson, "Monographie de: Calophyllum inophyllum, Cedrelopsis greveï, Cinnamomum camphora et Ravensara aromatica", Mémoire de fin d’étude en vue de l’obtention du diplôme d’Ingénieur Agronome, Université d’Antananarivo Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques Département Industries Agricoles et Alimentaires, Année 1999-2004.
- ↑ Studio Sifaka, "Kozio ahy: le raokandro", www.studiosifaka.org, 27 avril 2020.