Aller au contenu

Valabe

Avy amin'i Wikipedia

Ny valabe dia fomba amam-panaon' ny Malagasy taloha tamin' ny faritra sasany sy tamin' ny fotoam-piravoravoana sasany, anisan' izany ny Fandroan' andriana tao Imerina sy ny Fitampoha[1] tao amin' ny faritra Menabe teto Madagasikara, izay nahazoana manao firaisana ara-nofo malalaka tsy mifidy saranga[2][3]. Amin' ny alina mialoha ny andro hanatanterahana ny Fandroana, izay fihavaozana ara-tandindona, dia misy ny fanaovana valabe[4]. Toy izany koa, ny alina alohan' ny fampandroana ny Dady (taolambalon' ny mpanjaka sakalava) amin' ny Fitampoha dia vonoina ny jiro sy ny afo rehetra. Nanomboka tamin-dRadama II (1861-1863) anefa dia tsy nankalazaina intsony ny Fandroana amin' ny Alahamadibe, noho izy nanaraka ny fivavahana kristiana izay nifanohitra amin' ny fanandratana ny sampy masina 12, nifanohitra amin' ny fanaovana lapabe sy kimandrimandry fanao mandritra ny andro tsy maty, ary amin' ny fanaovana sorona eny amin' ny fasana. Tamin-dRanavalona III (1881-1896) dia efa tsy nankalazaina intsony ny Fandroana sy ny Alahamadibe ka foana tanteraka tamin' izay ny valabe sy ny lapabe[5].

Ny valabe tany amin' ny faritra andrefana

[hanova | hanova ny fango]

Ny valabe dia anisan' ny fombafomba misy ifandraisany amin' ny Fitampoha, izay hetsika goavana sy be tsipiriany eo amin’ ny fiainan’ ny mponina Sakalava tany Menabe. izay manasongadina lafiny maro: ara-ppilitika, ara-pivavahana, ara-tsôsialy ary ara-panahy,

Ny Fitampoha

[hanova | hanova ny fango]

Ny Fitampoha dia fanompoam-pivavahana lehibe ho an' ny mpanjaka Maroserana. Atao amin' ny alalan' ny fanehoana an' ohatra izany: ny fitanjozorana mitondra ny vakoka avy amin' ny razamben' ny mpanjaka. ny fampandroana ny Dady (relikan' ny mpanjaka) ao amin' ny reniranon' i Tsiribihina. Zava-dehibe ity lanonana ity amin' ny fanamafisana ny fahefana sy ny maha ara-dalàna ny mpanjaka. Na dia nihena aza ny sasany amin' ireo fameperana teo amin' izy io tamin' ny alalan' ny fomba môderina sy ny kristianisma, dia mijanona ho andry ijoroan' ny maha Salakalava sy ny rafi-piarahamonina sakalava izy io.

Ny valabe, fombafomba mifandraika amin' ny Fitampoha.

[hanova | hanova ny fango]

Hevitry ny hoe valabe

[hanova | hanova ny fango]

Ny valabe dia lazaina ho fombafomba izay tsy miharihary foana ny tena dikany lalina ary mety tsy ho takatra manontolo aza. Izy io dia maneho ny misterin' ny fiainana ary heverina ho fandraisana anjara amin' ny fahavokaran' ny tany sy izao rehetra izao. Tena ilaina izy io ho an' ny fihavaozan' izao rehetra izao sy ny fihavaozan' ny zanak' olombelona rehetra, ​​izay lasa masina sy migavao noho izany.

Hetsika mandritra ny Valabe

[hanova | hanova ny fango]

Mandritra ny valabe dia niniana nikorontana ny lamina ara-piarahamonina mahazatra, ary mety hanana dikany hafa ny hetsika izay heverina ho maloto na tsy voalanjalanja. Mifoha ny filibana ary azo esorina ny lalàn' ny fitondran-tena mahazatra. Nekena vonjimaika ny fahalalahana ara-nofo, izay nahafahan' ny vehivavy manolotra ny tenany manontolo amin' ny lehilahy hafa tsy misy tahotra fahafaham-baraka avy amin' ny vadiny, ary nanan-jo hananao toy izany amin' ny vehivavy hafa koa ny lehilahy.

Fanao tany amin' ny faritra maro teto Madagasikara ny valabe na lapabe na tsimandrimandry. Ao koa ny fiandravasana tany amin' ny faritry ny Betsileo[6]. Maro ny faritra efa niala amin' izany fanao izany, indrindra amin' ny fotoan' ny firavoravoana nentim-paharazana izay anaovana fankalazana fara tampony toy ny famorana faobe na ny fahatsiarovana ny mpanjaka efa niamboho.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Un aspect du Fitampoha - Le Valabe"; madarevues.recherches.gov.mg
  2. Rajemisa-Raolison Régis, "Valabe", in Rakibolana malagasy, 1985.
  3. Abinal Antoine et Malzac Victorin, "Valabe", Dictionnaire malgache-français, 1888.
  4. Larson, Pier M. (1999), "A cultural politics of bedchamber construction and progressive dining in Antananarivo: ritual inversions during the fandroana of 1817", in Middleton, Karen (ed.), Ancestors, Power and History in Madagascar, Leiden, The Netherlands: Brill, pp. 37–70, ISBN 978-90-04-11289-6, retrieved March 3, 2010
  5. Miteraka ady hevitra ny filazana fa nisy "lapabe" na "valabe" tao Imerina. Izao ny fanoherana asetrin' ny olona sasany io lovantsofina io. Ao amin' ny kolontsaina merina nentim-paharazana dia tsy mbola nisy fomba fanao antsoina hoe "lapabe" na "valabe" momba ny firaisana ara-nofo na fitondran-tena maloto. Diso ireo tsaho ireo ary mifanohitra amin' ny soatoavina ananan' ny Merina, indrindra mandritra ny fetin' ny Fandroana, fotoana fanadiovana sy fampihavanana ary firaisana amin' Andriamanitra sy ny razana. Tsy tokony hafangaro amin' ny fomba amam-panao marina ny fihoaram-pefy ataon' ny mpanjaka.
  6. "Il y a 100 ans : Fiandravasana", cultmada.blogspot.com