Vorompatrana

Ny vorompatrana dia vorona goavambe, anisan' ny Ratitae (aotrisy, nando, sns.). Teto Madagasikara irery ihany no nisy azy ary tsy fantatra mazava ny daty naha lany tamingana azy. Mamorona ny vondron-karazana Aepyornis izy ireo, ao amin' ny fianakaviana Aepyornithidae, izay anisan' ny filaharana Aepyornithiformes. Nisy karazany roa ny Aepyornis, dia ny Aepyornis hildebrandti kely kokoa sy ny Aepyornis maximus lehibe kokoa, izay mety ho ny vorona lehibe indrindra niaina teto ambonin' ny tany. Ny havany akaiky indrindra dia ny kipy any Zelandy Vaovao. Lany tamingana izy ireo tamin' ny taona 1000 tany ho any, angamba vokatry ny asan' ny olombelona.
Fanoritsotirana
[hanova | hanova ny fango]Habe sy lanjany
[hanova | hanova ny fango]
Nirefy 3 ka hatramin' ny 3,5 m ny haavon' ny vorompatrana ary nilanja 350 hatramin' ny 450 kilao (hatramin' ny 500 kg ho an' ny lahy lehibe indrindra). Na dia lehibe aza izy dia tsy izy no vorona lehibe indrindra. Nihoatra azy ny môa tany Zelandy Vaovao, izay karazana manakaiky azy fantatra kokoa, ao amin' ny fianakaviana Dinornithiformes, izay mety nahatratra 4 m. Ny Aepyornis anefa no vorona mavesatra indrindra hatramin' izay, ary maivana kokoa ny môa.

Tsy manisina fa mihazakazaka
[hanova | hanova ny fango]Tsy afaka nanidina io vorona io, satria saika tsy nisy elatra tavela, na dia ao amin' ny karany aza. Izy io dia vorona tsy manidina toy ny karazam-borona goavam-be hafa ao amin' ny fianakaviany (Aepyornithidae). Afaka nahatratra hafainganam-pandeha ambony indrindra izy mba handosirany ny biby na vorona mpiremby azy.
Atody
[hanova | hanova ny fango]
Nanjavona tany amin' ny taona 1000 tany ho any fa tsy tamin' ny taonjato faha-17 na faha-18, ny Aepyornis dia niara-niaina tamin' ny olombelona voalohany tonga teto Madagasikara. Amin' izao fotoana izao dia mbola mahita atody tsy misy vaky, izay atao vata, ny Malagasy. Amin' ny tranga sasany, ireo atody ireo dia manana hodidina mihoatra ny 1 m, halava hatramin' ny 34 sm, ary ny hadiry 9 litatra, fito heny ny haben' ny atodin' ny aotirisy.