Aller au contenu

Elatra

Avy amin'i Wikipedia
Elatra: an' ny Pterosauria sy an' ny ramanavy ary an' ny vorona.

Ny elatra dia taova ivelany ahafahan' ny karazam-biby maro manidina. Karazam-biby maro no manana elatra, na dia ny elatry ny vorona aza no tena azo an-tsaina voalohany. Amin' ny karazana tsy afaka manidina na tsy afaka manidina intsony, dia elatra dindona no iantsoana ny elatra eny aminy.

Elatry ny Tetrapoda

[hanova | hanova ny fango]

Ny elatry ny Pterosauria

[hanova | hanova ny fango]
Pterodactylus (vondron-karazana ao amin' ny filaharana Pterosauria)

Ny Tetrapoda voalohany nanana elatra dia ny Pterosauria, hany biby mandady afaka manidina, ny karazana farany dia nanjavona nandritra ny faharipahana tamin' ny Kretase.

Ny teknikan' ny fanidinan' ny Pterosauria dia nanaovana vinavinaina ara-tsiansa, satria ny Pterosauria lehibe sasany dia mety milanja mihoatra ny 200 kg, izany dia milaza fa misy ny fahasamihafana lehibe amin' ny zavamananaina manidina fantatra.

Elatry ny vorona

[hanova | hanova ny fango]
Hitsikitsika (Falco tinnunculus)

Ny ankamaroan' ny vorona dia afaka manidina, fa ny karazana sasany toy ny ratita (vorona mpihazakazaka toy ny aotrisy: Struthioniformes (aositrisy na aotirisy), Aepyornithiformes (vorompatra), Rheiformes (nando), Casuariiformes (kasoara sy drômay), Apterygiformes (kioy), Dinornithiformes (môà)) dia tsy afaka manidina. Ao amin' ny vorona, ny elatra, izay voaravaka volom-borona miloko na tsia, dia ampiasainy mandritra ny fampiratiana eo akaikin' ny vavy.

Elatry ny biby mampinono

[hanova | hanova ny fango]
Ramanavy (Chiroptera)

Ny biby mampinono manana elatra dia ny ramanavy. Ny biby mampinono hafa toy ny Pteromyinae, ny Anomaluridae, ny Cynocephalidae, ny Petauridae dia manana hoditra mivelatra ahafahany manao sidina midina fa tsy miakatra eny amin' ny rivotra. Karazam-biby maro no manana hoditra mivelatra toy izany, anisan' izany ny sahona sy ny androngo sasany, nefa tsy elatra ireo, raha ny marina.

Elatry ny bibikely

[hanova | hanova ny fango]
Lolo (Lepidoptera)
Titanacris albipes

Ny elatry ny bibikely dia fanitarana ny karana ivelany ao amin' ny bibikely (Insecta) izay ahafahany manidina. Ireo elatra ireo dia hita eo amin' ny fizarana faharoa sy fahatelo eo amin' ny tratrany, ary mandeha tsiroaroa havia sy havanana ny elatra aloha sy elatra aoriana, na dia misy bibikely (Insecta) vitsivitsy aza tsy manana elatra aoriana. Tsy rantsam-batana ireo elatra ireo. Ny elatra dia misy ao amin' ny zana-kilasy Pterygota fa tsy misy ao amin' ny Apterygota. Izy ireo dia napetraka amin'ny toerana mandritra ny molt farany. Amin' ny fiofoana farany no miforona ny elatry ny bibikely.

Elatry ny trondro

[hanova | hanova ny fango]
Trondro manidina (Exocoetidae)

Ny vombon' ny fay (Batoidea na Rajomorphii) dia antsoina koa hoe elatra. Mampiasa an' io sahala amin' ny ela-borona ny fay. Ny vombon' ny trondro manidina dia antsoina hoe elatra koa.