Cycadales
Fiseho

Ny Cycadales dia filaharan-javamaniry ao amin' ny Gymnospermae izay ahitana karazana 350 eo ho eo.

Manana toetra ara-batana mitovy amin' ny ampanga (Filicophyta) izy ireo ary manana mitovitovy amin' ny ravina palmie (Arecacea), ary matetika no afangaro amin' ny palmie, na dia heverina ho havan' ny kônifera (Pinophyta) aza izy ireo.

I Barthélemy Charles Joseph Dumortier (1797-1878) no namaritra ity filaharana ity. Mitsinjara amina fianakaviana roa: ny Cycadaceae sy ny Zamiaceae ity filaharana ity.