Pinophyta

Ny Pinophyta, izay atao hoe kônifera, dia fisampanana mamondrona zavamaniry, ao amin' ny Gymnospermae, izay tsy manana afa-tsy kilasin-javamaniry iray, dia ny Pinopsida.
Izy ireo dia zavamaniry misy lalan-dranony sy misy voa entin' ny rafitra miendrika kitsoloha manana ny asany mitovy tanteraka amin' ny voninkazo nefa tsy voninkazo. Nipoitra teto an-tany izy ireo 300 tapitrisa taona lasa izay, ela be talohan' ny hazo mandravina. Zavamaniry misy nofon-kazo mafy avokoa ny kônifera misy, ka hazo ny ankamaroany fa hazobotry kosa ny ambiny.
Anisan' ny kônifera ny hazokesika, ny sedera, ny kipresy ary ny sekôià.
Saika hita eran' izao tontolo izao ny kônifera, ary izy ireo matetika no zavamaniry lehibe indrindra amin' ny toerana aniriany avy. Ny kônifera anefa dia nihena hatramin' ny nanombohan' ny Angiospermae nanjaka tamin' ny biôma maro avy amin' ny vanim-potoana Kretase, ary 650 eo ho eo ny karazany sisa tavela ankehitriny.
Ny kônifera dia manana lanja ara-toekarena lehibe, indrindra amin' ny famokarana hazo sy taratasy.