Convolvulaceae

Ny Convolvulaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravintsimoka; ao amin' ny filaharana Solanales (akaikin' ny Solanaceae) izay ahitana vondron-karazana enimpolo eo ho eo sy karazany eo amin' ny 1 950 hatramin' ny 2 000 eo ho eo, izay mitsijara saiky amin'ny toerana rehetra. Ny vondron-karazana roa Convolvulus sy Ipomoea, dia mamondrona mihoatra ny ampahatelon' ny karazana ao amin' io fianakaviana io. Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG sy APGII, ity fianakaviana ity dia naitatra ka ahitana ny Cuscutaceae sy ny Humbertiaceae (ity farany ity dia tsy ahitana afa-tsy ny Humbertia madagascariensis, izay hazo lehibe tsy hita afa-tsy eto Madagasikara).

Zavamaniry ahitra izy ireo, mety mianika na mandady, hazobotry, vahy ary indraindray hazo, any amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatrany amin' ny faritra manana toetany mafana. Karazana trôpikaly marom no ambolena ary atao sakafo na fanafody na haingo, fa ny hafa kosa, indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony, dia ahi-dratsy.
Vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Vondron-karazana hita eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]
Indreto ny vondron-karazana hita eto Madagasikara. Tsara anefa ny manamarika fa ny fanasokajiana ara-bôtanika dia sehatra mivoatra hatrany, ary mety hiovaova ny isan' ny karazana misy sy ny famaritana azy ireo arakaraka ny fanadihadiana ara-taksônômika farany. Ankoatra izay, mety tsy ho feno io lisitra io ary mety misy karazana hafa na mety ho hita vao haingana eto Madagasikara.
- Bonamia Thouars (ahitana ny Bonamia boivinii)
- Cardiochlamys (ahitana ny Cardiochlamys madagascariensis sy ny Cardiochlamys velutina).
- Convolvulus L. (ahitana ny kelihomandra (Convolvulus nummularius izay natao taloha hoe Evolvulus ummularius))
- Cressa L. (ahitana ny sirasira)
- Dactylostigma Austin (tsy hita raha tsy eto Madagasikara)
- Evolvulus L. (ahitana ny handrinamboa, horompetaka na vahimpasika (Evolvulus alsinoides))
- Hildebrandtia Vatke
- Humbertia Lam. (tsy hita raha tsy eto Madagasikara ary tsy ahitana afa-tsy ny endrika hazo Humbertia madagascariensis)
- Ipomoea L. (ahitana ny vomanga na bageda (Ipomoea batatas) sy ny maro hafa
- Jacquemontia Choisy (ahitana ny valibaliha (Jacquemontia tamnifolia na Jacquemontia capitata teo aloha))
- Lepistemon Blume
- Merremia Dennst. ex Endl. (ahitana ny valorira (Merremia medium taloha))
- Seddera Hochst.
- Stictocardia (ahitana ny Stictocardia beraviensis)
- Xenostegia (ahitana ny valorira (Xenostegia medium na Merremia medium teo aloha))
Vondron-karazana voafariparitra
[hanova | hanova ny fango]
Indreto ny vondron-karazana voatsinjara araka ny foko misy azy avy:
- Aniseieae
- Aniseia Choisy
- Odonellia K.R.Robertson
- Tetralocularia O'Donell
- Cardiochlamyeae
- Cardiochlamys Oliv.
- Cordisepalum Verdc.
- Dinetus Buch.-Ham. ex Sweet
- Duperreya Gaudich.
- Poranopsis Roberty
- Tridynamia Gagnep.
- Convolvuleae

- Calystegia R.Br. –
- Convolvulus L. –
- Jacquemontia Choisy - (ahitana ny vomanganalika)
- Polymeria R.Br.
- Cresseae
- Bonamia Thouars
- Cladostigma Radlk.
- Cressa L.
- Evolvulus L.
- Hildebrandtia Vatke
- Seddera Hochst.
- Stylisma Raf.
- Wilsonia R. Br.
- Cuscuteae
- Cuscuta L. – dodder
- Dichondreae
- Dichondra J.R.Forst. & G.Forst.
- Falkia Thunb.
- Nephrophyllum A.Rich.
- Petrogenia I.M.Johnst.
- Erycibeae
- Erycibe Roxb.
- Humbertieae
- Humbertia (ahitana ny karazana tokana Humbertia madagascariensis)
- Ipomoeeae

- Argyreia Lour.
- Astripomoea A.Meeuse
- Blinkworthia Choisy
- Ipomoea L. – (ahitana ny vomanga na bageda (Ipomoea batatas), nampidirina teto koa ny Ipomoea tricolor)
- Lepistemon Blume
- Lepistemonopsis Dammer
- Paralepistemon Lejoly & Lisowski
- Rivea Choisy
- Stictocardia Hallier f. (ahitana ny Stictocardia beraviensis)
- Maripeae
- Dicranostyles Benth.
- Itzaea Standl. & Steyerm.
- Lysiostyles Benth.
- Maripa Aubl.
- Poraneae
- Calycobolus Willd. ex Schult.
- Dipteropeltis Hallier f.
- Metaporana N.E.Br.
- Neuropeltis Wall.
- Neuropeltopsis Ooststr.
- Porana Burm.f.
- Rapona Baill.
- Tsy fantatra ny vondrona tena misy azy ireto (Incertae sedis)
- Camonea Raf.
- Daustinia Buril & Simões
- Decalobanthus Ooststr.
- Distimake Raf.
- Hewittia Wight & Arn.
- Hyalocystis Hallier f.
- Merremia Dennst. ex Endl.
- Operculina Silva Manso
- Remirema Kerr
- Xenostegia D.F.Austin & Staples
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fianakavian-javamaniry hafa: