Aller au contenu

Iray

Avy amin'i Wikipedia

Ny iray na isa na iraika, izay soratana hoe 1, amin' ny tarehimarika arabo, dia isa tsimivaky nanahary, maneho singa tokana. Ny "iray" indraindray dia manondro ny venty. Io no voalohany sy kely indrindra amin' ny isa nanahary miabo ao amin' ny filaharana tsy manam-petran' ny isa nanahary. Io toetra fototra io dia nitarika ho amin' ny fampiasana azy manokana amin' ny sehatra samihafa, manomboka amin' ny siansa ka hatramin' ny fanatanjahantena, izay matetika anondroany ny zavatra voalohany, ny mpitarika, na ny ambony indrindra ao amin' ny vondrona misy azy.

Ny 1 dia venty ampiasaina amin' ny fanisan-javatra. Teo amin' ny tantara dia nivoatra avy amin' ny marika someriana sy babilôniana fahiny ho amin' ny tarehimarika arabo ankehitriny ny fanehoana ny isa 1.

Nifanarahana ao amin' ny matematika fa tsy raisina ho isa tsy azo tsinjaraina ny 1. Amin' ny teknôlôjia nomerika, ny 1 dia maneho ny toetra "on" ("mandeha" na "velona") amin' ny fanisana taroa, fototry ny infôrmatika. Ny 1 dia maneho ny zava-misy na ny loharanon' ny fisiana amin' ny firehana ara-pilôzôfia samihafa.

Ao amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Fandaharan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fiteny malagasy, ny teny hoe "isa" sy "iray" ary "iraika", na dia manondro hevitra mitovy aza, dia samy manana ny fomba fampiasana azy ao anatin' ny andian-teny na anaty fehezanteny.

Ny teny hoe "isa"

[hanova | hanova ny fango]
  • Ampiasaina hanisana zavatra tsy lazaina anarana ny teny hoe "isa". Ohatra: "Isa, roa, telo, efatra".
  • Tsy ampiasaina ho mpamaritra isa ny teny hoe "isa". Tsy fiteny ny hoe "mofo isa" fa "mofo iray".

Ny teny hoe "iray"

[hanova | hanova ny fango]
  • Ampiasaina ho mpamaritra ny teny hoe "iray" ary apetraka eo aorian' ny teny faritany, afa-tsy raha isa ihany koa io teny faritany io. Ohatra: "mofo iray".
  • Apetraka eo alohan' ny teny faritany ny teny hoe "iray" (andian-teny mivadi-drafitra) raha entina hatao mpamaritra ilay andian-teny manontolo. Ohatra: "iray trano", "iray fasana", "iray vatsy", "iray saina", "iray tanàna"
  • Apetraka eo alohan' ny anaran' isa hafa (alina, hetsy, tapitrisa, lavitrisa) ny teny hoe "iray" fa tsy apetraka eo aoriany, izany hoe tononina manaraka azy ireo. Ohatra: "iray alina", "iray hetsy", "iray tapitrisa", "iray lavitrisa". Tsy fiteny ny hoe "iray folo" na "iray zato".
  • Tsy manana mpanoritra tsy mamaritra ny teny malagasy. Noho izany dia tsy ampiasaina handikana ny article indéfini frantsay ("un", "une") na ny indefitite article anglisy ("a", "an") na amin' ny teny hafa manana izany mpanoritra izany ny hoe "iray" fa natao hanisana.

Ny teny hoe "iraika"

[hanova | hanova ny fango]
  • Ampiasaina hilazana ny ambiny ao amin' ny isa mihoatra ny folo ny teny hoe "iraika". Ampiasaina ny teny hoe "amby" (na "ambin' ny" ho an' ny "folo") mba hampifandraisana ny teny hoe "iraika" amin' ny teny manana azy ho amby. Ohatra; "iraika ambin' ny folo", "iraika amby zato".
  • Tsy ampiasaina ho mpamaritra ny teny hoe "iraika". Ohatra: Tsy fiteny ny hoe "mofo iraika" fa "mofo iray".
  • Mety hampiasaina hanisana zavatra tsy lazaina anarana ny teny hoe "iraika" any amin' ny faritra sasany eto Madagasikara. Ohatra: "Iraika, roa, telo, efatra".

Ohabolana ahitana ny hoe "iray"

[hanova | hanova ny fango]
  • Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy.
  • Mitahontahom-poana, toy ny zazavavy iray anaka.
  • Ny iray vady ary ny iray anadahy, ka tsy misy hombana, fa miady an-tanety: sahalà, manani-bohitra: aza mahafaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]