Aller au contenu

Telo

Avy amin'i Wikipedia

Ny telo , izay soratana amin' ny tarehimarika arabo 3, dia isa nanahary manaraka ny roa sy alohan' ny efatra, ary izy no isa tsy azo tsinjaraina tsy ankasa kely indrindra ary ny hany isa tsy azo tsinjaraina alohan' ny isa toradroa. Manana lanjany ara-pivavahana sy ara-kolontsaina amin' ny fiarahamonina maro ny isa telo.

Ao amin' ny sehatry ny fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fivavahana maro eran-tany dia misy andriamanitra kamban-telo na voan-kevitra momba ny trinite anisan' izany ny Trimurti (Brahma, Vishnu, Shiva) sy ny Tridevi (Saraswati, Lakshmi, Parvati) ao amin' ny hindoisma, ny Triglav (ara-bakiteny. "Ilay manana loha telo": Svarog, Vélès, Péroun na Svarog, Svantovít, Perun)), andriamanitry ny Slavy, ny Firavaka telo (Buddha, Dharma, Sangha) amin' ny bodisma, ny Fahadiovana telo (Yuqing, Shangqing, Taiqing) ao amin' ny taôisma, ny Trinite (Ray, Zanaka, Fanahy Masina) ao amin' ny kristianisma, ary ny andriamanibavy telo sosona ao amin' ny wicca.

Araka ny voalazan' i Pitagôra sy ny sekoly pitagôreana, ny isa 3, izay nantsoiny hoe triad, no hany isa mira amin' ny fitambaran' ny isa rehetra kely noho izy (3 = 2+1), ary ny hany isa tokana izay mitovy amin' ny vokatra avy amin' ireo sy ny tenany (3+2+1 = 3x2x1).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]